Lahatra Rebika

Aiza ianao rahavako Hamafa rano aminny tavako Sento no mameno ny fiainako Zay rakotra alahelo Fa mirotsa-dava Toa ranomasonjaza Fahoriana ny ahy Satria marary anao ny fanahy Ranomaso tena fatratra Mirotsaka mipatrapatraka Raradraraka toa oram-pahavaratra Indro sakaizam-pandriana Lay havanao ô ry tiana Ny adin-tsaina mila tsy ho zaka zakaina Indrisy ry malala Zao tokoa ve no anjara Tsy hay ialana intsony Fa efa tora-bato avy any ambony Zao tontolo izao Tsy atakaloko anao Raha voavidy koa ...
Author: masombahiny; Tags: Lahatra Rebika malagasy malgache gasy madagascar madagasikara gasikara dago hira vazo kalo


















